FANGATAHANA FISORATANA ANARANA
TOROHAY AMIN'NY FAMENOANA
1. Toerana hisoratana anarana
- Safidio ny Faritra misy anao.
- Hipoitra ho azy ny lisitry ny Distrika, Kaominina ary Fokontany.
- Hamarinina tsara mba ny Fokontany misy anao no fidinao.
2. Momba ny mpifidy
- Soraty ny anaranao sy ny fanampin'anaranao araka izay voasoratra ao amin'ny kara-panondronao.
- Daty : Ampiasao ny endrika
Andro/Volana/Taona(ohatra: 12/05/1990). - Teraka teo ho eo : Raha tsy fantatrao ny daty marina, fidio ny taona ao amin'ny "Teraka teo ho eo".
3. Ray sy Reny ary Fifandraisana
- Soraty ny anaran'ny ray sy ny anaran'ny Reny.
- Ampiasao ny hoe efa Maty (Feu/Feue) na Ray sy Reny tsy fantatra (PI/MI) araka ny zavatra misy marina.
- Fenoy ny adiresy mailaka sy laharan'ny finday marina.
4. Sary sy sarin'ny kara-panondro
- Makà sary mivantana na mampiditra sary efa ananana eo amin'ny Sary(Photo).
- Maka sary mivantana : Fangalana sary mivantana ary atao hita tsara ny tarehy.
- Mampiditra sary : Mampiditra sary efa ananana.
- Alaiana sary mazava tsara ny eo aloha sy ao an-damosina ny kara-panondro CNI.
5. Ny antota-taratasy
- Rehefa voatahiry ny taratasy, hisy rohy hisintonana azy.
- Alao avy hatrany ny taratasy fanamarinana amin'ny endrika PDF.
- Hisy dika mitovy koa halefa amin'ny mailaka any amin'ny adiresy omenao.
Fidirana voalohany
Tsara ho fantatra
Omena ny mailaka sy ny laharana finday ampiasaina amin'ny fangatahana fisoratana anarana.
- Mailaka no takiana
- Laharana finday